John 11

1Ary nisy lehilahy iray narary antsoina hoe Lazarosy. Avy ao Betania izy, tanànan’i Maria sy Marta rahavaviny. 2Maria no nanosotra menaka manitra ny Tompo sy nanadio ny tongony tamin’ny volony, ary Lazarosy anadahiny no narary.

3Ary ireo mpirahavavy naniraka olona ho any amin’i Jesosy, nilaza hoe: “Tompo, jereo, fa marary ilay tianao.” 4Rehefa ren’i Jesosy izany, dia hoy Izy hoe: “Tsy fahafatesana no hiafaran’ity aretina ity, fa kosa ho fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra mba hanandratana ny Zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’izany.”

5Ary Jesosy dia tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy. 6Ka rehefa nandre Jesosy fa marary Lazarosy, dia mbola nijanona roa andro tao amin’ny toerana nizy Azy Izy. 7Ary taorian’izany, dia niteny tamin’ireo mpianatra Izy hoe: “Andeha isika ho any Jodia indray.”

8Hoy ireo mpianatra taminy hoe: “Raby, amin’izao dia mikasa ny hitora-bato Anao ireo Jiosy, ka mbola hiverina ho any indray ve Ianao?” 9Ary namaly Jesosy hoe: “Tsy roa ambin’ny folo ora ve ny fahazavan’ny andro? Raha misy olona mandeha amin’ny andro mazava, dia tsy ho tafintohina izy, satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao.

10Kanefa, raha mandeha amin’ny alina izy, dia ho tafintohina satria tsy ao aminy ny fahazavana.” 11Nilaza ireo zavatra ireo Izy, ary taorian’ireo zavatra ireo, dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Resin-tory Lazarosy namantsika, fa handeha Aho mba hafahako mamoha azy amin’ny torimaso.”

12Ka hoy ireo mpianatra taminy hoe: “Tompo, raha resitory izy, dia ho tsara.” 13Kanefa Jesosy nilaza ny fahafatesany, saingy noheverin’izy ireo fa fialan-tsasatra amin’ny torimaso no nolazainy. 14Avy eo Jesosy niteny tsotra tamin’izy ireo hoe: “Maty Lazarosy.

15Faly aho, nohon’ny aminareo, fa tsy tany Aho mba hahatonga anareo hino. Andeha isika ho any aminy.” 16Tomasy, izay antsoina hoe Didymo, dia niteny tamin’ireo mpianatra namany hoe: “Andeha koa isika mba hiara-maty amin’i Jesosy.”

17Rehefa tonga Jesosy, dia hitany fa efa nalevina efatr’andro tao am-pasana Lazarosy. 18Ary Betania dia efa akaiky an’i Jerosalema, eo amin’ny dimy ambin’ny folo stadio eo no elanelany. 19Maro ireo Jiosy tonga tao amin’i Marta sy Maria, mba hampahery azy ireo nohon’ny fahafatesan’ny anadahin’izy ireo. 20Avy eo Marta, rehefa nandre fa tonga Jesosy, dia nandeha nitsena Azy, fa Maria kosa nipetraka tao an-trano.

21Dia niteny tamin’i Jesosy Marta hoe: “Tompo, raha teto ianao, dia tsy maty ny anadahiko. 22Nefa na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa na inona na inona angatahinao amin’Andriamanitra, dia homeny anao izany.” 23Hoy Jesosy taminy hoe: “Ny anadahinao dia hitsangan-ko velona indray.”

24Marta niteny taminy hoe: “Fantatro fa hitsangana indray izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” 25Dia hoy Jesosy taminy hoe: “Izaho no fananganana ny maty ary fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza izy, dia ho velona; 26ary na iza na iza velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany ve ianao?”

27Hoy izy taminy hoe: “Eny, Tompo, mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga eto amin’izao tontolo izao.” 28Rehefa voalazany izany, dia lasa izy niantso mangingina an’i Maria rahavaviny. Hoy izy hoe: “Tonga ny Mpampianatra ary miantso anao izy.” 29Rehefa ren’i Maria izany, dia nitsangana faingana izy dia nankany aminy.

30Ary Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna fa mbola teo amin’ilay toerana nihaonan’i Marta taminy ihany. 31Noho izany ireo Jiosy, izay niaraka taminy tao an-trano sy nampahery azy, rehefa nahita an’i Maria nitsangana faingana ka lasa nivoaka, dia nanaraka azy, nihevitra fa handeha hitomany any amin’ny fasana izy. 32Rehefa tonga teo amin’ny toerana nisy an’i Jesosy i Maria ka nahita Azy, dia niankohoka izy ary niteny taminy hoe: “Tompo, raha teto ianao, dia tsy maty ny anadahiko.”

33Rehefa nahita azy nitomany Jesosy, ary ireo Jiosy niaraka taminy koa nitomany, dia vonto ny fanahiny ary tora-kovitra Izy; 34dia hoy Izy hoe: “Taiza no nandevenanareo azy?” Dia hoy izy ireo taminy hoe: “Tompo, avia ary jereo.” 35Nitomany Jesosy.

36Avy eo hoy ireo Jiosy hoe: “Jereo ny haben’ny fitiavany an’i Lazarosy!” 37Fa ny sasany tamin’izy ireo niteny hoe: “Moa ve tsy hain’ity lehilahy ity, izay nampahiratra ny mason’ilay jamba, ny manao izay tsy ho nahafaty ity lehilahy ity koa?”

38Avy eo indray Jesosy, raha mbola vonto ny fanahiny, dia nankeny amin’ny fasana. Ary zohy izany, ary misy vato manarona azy. 39Hoy Jesosy hoe: “Esory hiala ny vato.” Marta, anabavin’i Lazarosy, ilay maty, niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tompo, efa maimbo ny vatany raha amin’izao fotoana izao, satria efatr’andro izao no nahafatesany.” 40Ary Jesosy niteny taminy hoe: “Tsy efa nolazaiko anao ve fa, raha nino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?”

41Dia nohesorin’izy ireo ny vato. Jesosy nanandratra ny masony ka niteny hoe: “Ray ô, misaotra Anao Aho satria nihaino Ahy Ianao. 42Fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao, fa nohon’ny vahoaka mijoro manodidina Ahy no nilazako izany, mba hafahan’izy ireo mino fa Ianao no naniraka Ahy.”

43Rehefa avy niteny izany Izy, dia niantso tamin’ny feo mafy hoe: “Lazarosy, mivoaha!” 44Nivoaka ilay lehilahy maty; nisy fehim-paty ny tongony sy ny tanany, ary voafehy lamba koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Vahao izy ary avelao handeha.”

45Avy eo maro tamin’ireo Jiosy izay tonga tao amin’i Maria sy nahita ny nataon’i Jesosy, no nino Azy; 46Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa lasa nandeha nankany amin’ny Fariseo ary nilaza tamin’izy ireo ny zavatra nataon’i Jesosy.

47Avy eo ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo namory ny Synedriona niaraka ary nanao hoe: “Inona no hataontsika? Ity lehilahy ity dia manao famantarana maro. 48Raha avelantsika amin’izao Izy, dia hino Azy ny rehetra; ary ho avy ny Romana haka ny tananàntsika sy ny firenentsika.”

49Kanefa, nisy lehilahy iray tamin’izy ireo, Kaiafa, izay mpisoronabe tamin’izany taona izany, nanao tamin’izy ireo hoe: “Ianareo dia tsy mahalala na inona na inona. 50Tsy mieritreritra akory ianareo fa tsara ho anareo raha lehilahy iray no maty ho an’ny olona toy izay ny firenena manontolo no ringana.”

51Ary izay nolazainy dia tsy nataony ho azy ihany. Fa kosa, noho izy mpisoronabe tamin’io taona io, dia naminany fa tokony ho faty ho an’ny firenena Jesosy; 52ary tsy ho an’ny firenena fotsiny ihany, fa mba hampiray ny zanak’Andriamanitra izay niparitaka koa. 53Ka nanomboka tamin’io andro io dia nanao tetika ny fomba hamonoana an’i Jesosy izy ireo.

54Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ireo Jiosy intsony, fa niala teo Izy nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra ho any an-tanàna atao hoe Efraima. Ary nonina tao Izy sy ireo mpianatra. 55Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ary maro tamin’ireo tany ivelan’ny tanàna no niakatra tao Jerosalema mialohan’ny Paska mba hanadio ny tenan’izy ireo.

56Nitady an’i Jesosy izy ireo, ary nijoro teo amin’ny Tempoly nifampiresaka hoe: “Inona no eritreretinareo? Hoe tsy ho tonga amin’ny andro firavoravoana ve Izy?” Ary efa nanome baiko ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo fa raha misy mahalala ny misy an’i Jesosy, dia tokony milaza izy mba hisamboran’izy ireo Azy.

57

Copyright information for PltULB